<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>803</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Avia, ry Fanahy ô !
 Ho eto aminay,
 Ny fanahinay mba fenoinao
 Ny hasoavanao.

[V2]
 Maloto ny fanahinay,
 Ka mba diovinao ;
 Tsy mahomby re ny
 fihevitray,
 Mba amboarinao.

[V3]
 He, zaza osa izahay,
 Ka mba tantanonao,
 Be ny ratsy izay te-hitaona
 anay,
 Ampio ny olonao.

[V4]
 O, ry Fanahy hendry ô,
 Miandry izahay,
 Manantena Anao hanadio
 ny fo
 He, zaza osa izahay,
 Ka mba tantanonao,
 Be ny ratsy izay te-hitaona
 anay,
 Henoy ny hatakay.</lyrics>
<title>Avia ry Fanahy o, ho eto aminay FFPM803</title>
</song>